<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Ahnfelt</author>
<hymn_number>548</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 He, Jehovah no Mpiandry ahy,
 Tsy mba misy atahorako ;
 Raha Izy no mitondra ahy,
 Ahi-maitso no handriako.
 Eny, fa ny tany karankaina,
 Dia hody saha lonaka,
 // Ary ao amoron-dranon'aina
 Hialan'ny foko sasatra //

[V2]
 He, Jehovah no Mpitarika ahy,
 Ao an-dàlam-pahamarinana,
 Koa tsy ho kivy ny fanahy
 Amin'ny alo-pahafatesana ;
 Hianao ry Tokiko irery,
 No hiara-dia amiko,
 // Ka ny tsoran-kazonao
 mahery
 No hanafaka ny tahotro //

[V3]
 Amelaranao latabatra aho
 Eo imasom-pahavaloko ;
 Notoloranao kapoaka aho,
 Ka mahery sady afa-po ;
 Eny, indrafo tsy hita lany
 No hiaraka amiko izao
 // Mandra-pahatongako ho
 any
 Hanatrehako ny tavanao //</lyrics>
<title>He, Jehovah no Mpiandry ahy FFPM548</title>
</song>